Fifamoivoizana

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana Tsapaina ireo mpamily sao nisotro toaka


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Mpamily fiara miisa 50 no nataon’ny polisy fitiliana tampoka ka nojerena ny

 

 


tahan’ny alikaola tao anatiny ny faran’ny herinandro teo. Ny 07 tamin’izy ireo no nahitana tahana alikaola mihoatra ny tokony ho izy. Ho an'ny mpitondra moto indray dia 01 no nahitana izany raha mpitondra bisikiletra miisa 3 no tratra tsy nanao catadioptre .Ho fiarovana ny ain'ireo mpampiasa lalana amin'ny lozam-pifamoivoizana indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao no antony nanaovan’ny polisy izany hetsika izany. Miantso ny mpamily ho mailo hatrany araka izany ny polisim-pirenena amin’izao ankatoky ny fetin’ny Asaramanitra izao ka hanaja ny fetran’ny hafainganam-pandeha ho fiarovana ny ain’ny rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT