ADY AMIN’NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Nitohy teny Mandroseza ny fanentanana


  • Zoma 09 Febroary 2024

Niditra tamin’ny andro fahafito momba ny hetsika fanentanana sy

fampianarana ireo mpampiasa lalana ny polisy avy ao amin'ny B.A.C Tsaralalana omaly Alakamisy 08 febroary 2024 . Teny aminy faritra Mandroseza indray no nanatanterahana izany ka nampahafantarany ireo mpampiasa lalana ny momba ireo lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga eto an-drenenivohitra. Voakasika tao anatin'izany ireo kodiaran-droa sy ny fiara mifamezivezy. Toraka izany koa ireo mpampiasa lalana na mpandeha an-tongotra. Tanjona amin'ity fanentanana ity ny fampanaran-dalana sy fampahafantarana ireo loza mety hihatra amin'ny tsy fampiharana ny lalan'ny fifamoivoizana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa antitra sy tranainy avokoa ny 35%-n’ireo fiara miasa sy mivezivezy eto amintsika ka ilana fitandremana na ho an’ny mpamily izany na ho an’ny mpandeha an-tongotra. Narahina fanentanana mikasika ny tokony hanajan'ireo mpampiasa lalana rehetra io lalan'ny fifamoivoizana io izany mba isorohana ny loza mety hiseho. Hatreto dia an-jatony no efa nanaovana fanentanana saingy ny fampiharana ny fahalalana azon’izy ireny sisa no andrasana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana natao omaly teny Mandroseza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT