Fifamoivoizana

Ady amin’ny fandikan-dalàna ataon’ny taksibe Mijoro ho kaominina modely Andoharanofotsy


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Anisan’ny olana sedrain’ny mpandeha rehetra eto an-drenivohitra amin’izao ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny taksibe. Ankoatra ny tsy fanajana mpandeha miafara amin’ny fanompana indraindray, ny tsy fanomezana famerim-bola dia anisan’ny maharary mafy ny rehetra ny fanariana ny mpandeha eny antenantenan-dalana.

 
Mijoro hanohitra izany ny kaominina Andoharanofotsy fa tsy mijery fotsiny ny ataon’ny kaominina sasany. Nandray fepetra izy ireo sy ny lehiben’ny koperativa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ka  nosaziana izay tratra. Nisy mihitsy ireo naiditra fourriere  izay nomarihin’ny Ben’ny tanàna fa tsy entina hitadiavam-bola akory sanatria fa ho famaliany ny hetahetan’ny mpanjifa rehetra.  Efa nisy moa ny fihaonan’ny mpikambana tao amin’ny koperativa  Soamiafara ( 137,187) tamin’ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy Ranirison Hasina ka nitarainan’izy ireo ny fifidianan’ny mpanjifa fiara  fa tsy mandeha amin’izay misy. Rehefa tena mafy loha tsy mety hahitsy ireo mpitatitra ao aminy dia hampiditra koperativa vaovao hafa mihitsy izy ireo ka afaka manatona azy ireo avy hatrany izay vonona. Tsiahivina  fa efa tany amin’ny 20 taona lasa, mbola 200 Ar ny saran-dalana no nampanantena  izy ireo fa hanatsara ny tolotra omeny ny mpanjifa saingy mandraka androany dia  mijanona ho resa-be fotsiny.

 

Pati

 


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT