Fifamoivoizana

Adin’ny Taxi sy Taxi-moto Hotsaraina ao amin’ny Filankevi-panjakana anio


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Mitohy ny ady eo amin’ny Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra na ny FTAR sy ny Taxi-moto.

Marihina fa lany teo anivon’ny filankevitra monisipaly ihany ny Taxi-moto rehefa naverimberina nolaniana satria efa tany amin’ny fanintelony vao lany, rehefa nampidirina tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana tamin’ny septambra 2022. Omaly maraina, nametraka fitoriana eny amin’ny filan-kevi-panjakana ny FTAR tarihin-dRtoa Clémence Raharinirina. Anio amin’ny 9ora maraina ihany dia handeha ny fotoam-pitsarana ao amin’ny Filankevi-panjakana eo anivon’ny Fitsarana an-tampony ao Anosy, izay niantsoan’ny Filohan’ny FTAR firaisankiana amin’ireo mpikambana ao aminy amin’ny maha toko iraisan’izy ireo azy. Ny andaniny ihany koa manamafy fa ara-dalàna sy manamafy fa tokony tsy hosakanana ny asa fihariana ka asa izay ho valin’ny raharaham-pitsarana eo anatrehan’ny fifanolanana hatry ny ela?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT