67ha sy Andavamamba

Efa mihaodihaody ny Cyclo-pousse


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Miha miakatra tsikelikely ny tanan-dehibe ihany izy ity. Efa feno moa izao ao Andoharanofotsy ao itony posy tarihiny bisikileta na Cyclo-pousse itony.

Misy tazana efa mihaodihaody koa amin’izao fotoana izao izany karazana fitateram-bahoaka izany ao 67ha sy Andavamamba ao, raha ny tsikaritra hatramin’ny sabotsy teo. Eo ireo olompirenena izay miferotr’aina mahita izany. Eo koa anefa ireo milaza hoe avelao izy mba hiasa na hivelona. Ankoatran’ireo fiara manokana, ny fitateram-bahoaka toy ny taxibe, ny fiarakaretsaka na «taxi», ny kodiarandroa na «taxi-moto», ny sarety, ny kamiao isan-karazany izany dia mety hiampy an’io koa atsy ho atsy amin’ity tohamboivoy na «embouteillage» efa tsy hifankahitana eto Antananarivo ity. Andrasana moa ny fanazavana avy eo anivon’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra mikasika azy ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT