Mba hampizotra tsara ny asa fanamboaran-dalana izay tanterahin` ny orinasa
COLAS dia mampandre ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), araka ny didim-pitondrana lah. faha 423 CUA/CAB.20 ny 04 desambra 2020, indrindra ho an` ireo mpampiasa ny lalana eny Andohatapenaka anelanelan` ny tetezana sy ny fiantsonan` ny Bus Vatobe fa ho tapaka manomboka anio hatramin` ny 14 desambra izao. Torak` izany koa ny ampahan-dalana eny amin` ny 67 Ha Atsimo anelanelan` ny FLM sy ny “mosquée” izay ho tapaka manomboka anio ka hatramin` ny 01 janoary 2021. Voarara ihany koa ny fifamoivoizana manomboka ny 09 desambra hatramin` ny 16 desambra izao etsy Vatobe 67 Ha ka hatreo amin` ny Mada Hotel 67 Ha. Ny 14 hatramin` ny 18 desambra dia voarara ho an` ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra anelanelan` ny Jovena 67 Ha sy ny tetezana CENAM. Ny 17 sy 18 desambra ihany koa dia anelanelan` ny Mada Hotel 67 Ha sy ny Hotely Manga 67 Ha Avaratra no tapaka ny lalana. Manentana ny rehetra hatrany ny CUA mba hanaraka ny toromarika omen` ny tompon` andraikitry ny filaminana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny an-toerana hatramin` ny 01 janoary 2021.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.