Fifamoivoizana

67 ha Misy maka ireo vatokely hanamboaran-dalana


  • Alarobia 18 Mey 2022

Mihisatra tanteraka ny asa fanamboaran-dalana etsy amin’ny 67 ha, avy any amin’ny lalam-baovao mivoaka etsy Ambodin’Isotry.

Efa ho 2 volana mantsy izao tsy mety vita izany no sady miteraka fitohanana eny amin’iny faritra iny. Antony mahatonga izany raha araka ny fitarainan’ny mponina ny fahataran’ilay orinasa mandray an-tanana izany. Toraka izany koa ny fanararaotana hataon’ireo olom-pirenena sasany noho ny fahasahiranana izay sahy mitaona sy mangalatra ireo vatokely hanamboaran-dalana mba ho an’ny tombontsoany manokana. Avy eny am-baravarankely ireo mponina eny an-toerana no mahatsikaritra izany indrindra fa rehefa faran’ny herinandro. Tsy misy rahateo ny mpiambina ireny fananana iombonana ireny hoy hatrany izy ireo ka mandrapialany ao an-tokantranony efa lasa ireo mpanao ratsy. Ankoatra ity eny amin’ny 67 ha ity moa dia lalana maro toy ny etsy Ankadimbahoaka miazo an’ny By pass ihany koa no misy mandavaka ary taominy sy alainy ireo vatokely na dia amin’ny andro atoandro be nanahary izao aza. Taratry ny fahasahiranan’ny mponina avokoa izany amin’ny ankapobeny ankoatra ilay toe-tsaina mampalahelo tsy tia zavatra tsara fa mandrava ny efa fotsiny.
(Sary fanehoana)
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT