Fandriampahalemana

Fitsaram-bahoaka miha mahazo vahana Hampidi-doza rehefa propagandy


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Toy ireny manondraka rano an-damosin’ny gana ireny ireo mpanabe, mpanao politika, indrindra ny mpitondra fanjakana sy ny fitsarana raha miteny matetika amin’ny haino aman-jery fa tsy kolontsaina Malagasy ny fitsaram-bahoaka ary habibiana tsy roa aman-tany.

Voararan’ny lalàna sy mampigadra izy io. Efa ny taona 2015 no nanomboka nirongatra indray ary zary lasa fomba amam-panao. Herintaona taorian’io anefa dia mbola nahitana tranga 44 isa ihany. Ny tena loza farany teo dia mpianatra lalàna eny anivon’ny oniversite izao no nitarika olona hiara-kamita ny tantarana lehilahy lehibe iray tao Fianarantsoa ary izy tenany mihitsy no nanota vatobe ny lohan’ity lehilahy voalaza ho nangalatra ity. Mbola mitohy, araka izany, ny tsy fahatokisan’ny fokonolona ny fitondrana sy ny fitsarana. Ny tena mampanahy, raha izao haromotam-bahoaka ateraky ny vidim-piainana midangana izao no ho tonga amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra dia ahoana ? Mba efa nanomana vahaolana hisorohana izany ve ny mpitondra ? Raha ohatra misy mpanohana kandida iray tondroin’ny mpanohitra azy molotra dia ahoana ? Sa izay mihitsy aza ve sanatria no ho paikady matoa tsy fehezina hatramin’izao ity karazam-pitsarana ity ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT