Fampianarana

Zanaky ny faritra Sofia Tsy ekena ny fanosoram-potaka ny Minisitry ny fanabeazana


  • Alarobia 03 Jona 2020

Manoloana ilay resabe tao anatin’ny tambajotran-tserasera facebook mikasika ilay vatomamy mitentina 8 miliara Ar saika hovidian’ny Ministeran’ny

 

 

Fanabeazam-pirenena hozaraina ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana nihinana ilay tambavy COVID 19 dia nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny zanaky ny Faritra Sofia nahitana ny fikambanana Sofia Miray. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy ekeny no sady tsy hankasitrahany ny fanalambaraka ny andrim-panjakana mpanatanteraka tamin’ny alalan’ny fanosoram-potaka an-dRtoa ministra Andriamanana Rijasoa Josoa. Tohanan’izy ireo tsy misy fepetra araka izany ny fihetsika mitory fahasahiana mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny entin’ny zanak’izy ireo manatanteraka ny adidy napetraka taminy. Nambaran’izy ireo fa vao fotoana fohy no nanendrena ity ministra ity nefa efa marobe sahady ny asa vitany toy ny fitetezam-paritra manentana ny mpiray tanindrazana ao anatin’izao ady hatao amin’ny COVID 19 izao. Toraka izany koa hoy izy ireo ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana sy ny fizarana rakibolana. Mikasika ny fangatahana fanadihadiana lalina momba ny raharaha moa dia nomarihin’izy ireo fa anjaran’ny tompon’andraikitra hafa ny manao izany izay tsy fantatra na hankasitrahany na tsia.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT