Fampianarana

YLTP andiany faha 19 25 mianadahy avy amina faritra 5 no voafantina


  • Alakamisy 16 Martsa 2023

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny YLTP 2023 na Youth Leadership Training Program andiany faha 19.

25 mianadahy ireo voafidy hiofana mandritry ny 9 volana ao anatin’ity fandaharana izay hampiofanana momba ny haitarika ity, hoy ny fanazavana. Tsiahivina fa ny sampan-draharaha alemanina na FES (Friedrich Ebert Stiftung) no miantsoroka manontolo ny fampiofanana ireo tanora maniry ho mpitarika mendrika eto amin’ny firenena dia ity YLTP ity izany. 13 mirahavavy ary 12 mirahalahy avy amina faritra miisa 5, araka izany, no voafantina hiofana sy hanao dia fibeazana momba ny haitarika sy fampivoaran-tena ao anatin’ny YLTP amin’ity taona ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT