YALI Mandela Washington Fellowship 2025

Tanora Afrikanina 700 no hisitraka, misokatra ny fisoratana anarana


  • Alarobia 14 Aogositra 2024

Nisokatra nanomboka ny 13 aogositra ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora mpitarika

maniry hisitraka ny vatsim-piofanana YALI Mandela Washington Fellowship 2025 izay andiany faha-10 ny amin’ity, izay vatsian’ny Governemanta vola ary tantanan’ny Irex. Ireo tanora mpitarika 25 ka hatramin’ny 35 taona izay nampiseho fahaiza-mitarika sy fahafoizan-tena ho fampandrosoana ny fiarahamonina misy azy no hiantefan’ity programa fanohanana ny tanora Afrikaninaa mpitarika, tsy misy fanavakavahana fihaviana, volon-koditra, mahalahy na mahavavy, fari-piainana,... Mahatratra 110 ireo tanora Malagasy efa nisitraka ity vatsim-piofanana ity hatramin’ny niforonany ny taona 2014. Nanamafy ny fahavononany hanohana ireo tanora afrikana amin’ny fampiroboroboana ny fihariana sy ny fitantanana demokratika ary ny fandriampahalemana aty Afrika ny Governemanta Amerikanina. Hifantina tanora mpitarika misongadina sy nanova zavatra ary nitondra fivoarana ireo Masoivoho Amerikanina eto Afrika amin’ity taona ity. Hianatra momba ny fahaiza-mitarika mandritra ny enina herinandro any amin’ny oniversite Amerikana ireo tanora mpitarika miisa 700 voafantina aty amin’ny faritra Afrika atsimon’ny Sahara ireo ary hianatra momba ny fandraharaharana sy ny fitantanana fikambanana sy rafitra tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony izay atao any Washington, D.C. ihany koa izy ireo ahafahany mihaona amin’ireo Amerikanina mpitarika eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, hoy hatrany ny fampahafantarana. Mbola hisitraka fanohanana avy amin’ny Departemantam-panjakana Amerikanina toy ny fanararaotra hampandrosoana ny fahaizan’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa, ny fiahiana na “mentoring” sy ny fidirana sy fitrandrahana tombontsoa avy amin’ny tambazotrana mpitarika hafa ary ny fanohanana ara-bola ny tetikasan’izy ireo. Ny 10 septambra no mifanarana ny fisoratana anarana amin’ny alalan’ny rohy mwfellows.info/apply, izay ahitana ny andinindininy sy pitsopitsony samihafa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT