Vonjeo ny fanabeazana!

«Efa lasa tsy azo leferina intsony ny zava-misy»


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Nisy ny taratasy misokatra avy amin’ny fianakaviamben’ny fampianarana eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

Madagasikara tsy maintsy mandroso, adidy ara-tsosialy sy toekarena sakanana amin’ny faharavan’ny rafi-pampianarana izao no miseho, hoy ity fanambaràna ity. Raha tokony hiroso amin’ny fandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena dia sakanana amin’ny fandripahana ny harena voajanahary sy ny fahasimban’ny rafitra fanabeazana i Madagasikara. Tsy fahampian’ny fitaovana, karama ambany ho an’ny mpampianatra, fotodrafitrasa simba, fandaharan’asa tsy milamina. Efa lasa tsy azo leferina intsony ny zava-misy. Ny lalàmpanorenana eto Madagasikara dia manome antoka ny zo amin’ny fanabeazana, hoy ny andinina faha 23, sy ny adidy tokony ho raisin’ny fanjakàna amin’ny fanomezana fanabeazana mendrika sy azon’ny rehetra idirana. Io zo fototra io dia voahosihosy tanteraka amin’izao fotoana izao. Mbola mandre kabary manome toky isika momba ny fanabeazana nefa ny zava-misy eny ifotony tsy mitovy velively amin’izany. Aza fitahina ny fanabeazana sy ny vahoaka! Ny mpampianatra, izay andry fototra amin’ny fampandrosoana firenena, dia afaka amin’ny fanohanana.

ENTA-MAVESATRA, AMPIHARO NY LALANA
Karama ambany, enta-mavesatra amin’ny asa, ary tsy manana loharanom-pitaovana ampy ho fanatanterahana ny asany, tsy misy firaharahiana ataon’ny fanjakana amin’ireo fitakiana ara-drariny. Ny fanabeazana ho an’ny ankizy kely dia tsy voatohana ka manampy trotraka ny fitomboan’ny tsy fitovian’ny fahafahana manaraka fianarana. Ny tetikasa JICA, izay natao hanatsarana ny rafi-pampianarana, dia lasa enta-mavesatra ho an’ny mpampianatra, tsy misy valisoa na fiarovana ara-pitantanana. Miha simba hatrany ny kalitaon’ny fanabeazana, manitsakitsaka tanteraka ny adidy voalazan’ny lalàmpanorenana. Ny fampanantenana amin’ny fanatsaràna ny karama sy ny fanavaozana dia tsy tanteraka. Misy fifanarahana efa voasonia sy navoaka ny taona 2023 nefa tsy hita popoka. Mandritra izany dia milaza ny fanjakàna fa tsy misy toerana azo omena ho an’ny mpiasa vaovao kanefa misy angamba fifidianana amin’ny fomba miafina sy fanendrena olona amin’ny alalan’ny fifandraisana manokana. Ny lalànan’ny rafi-pampianarana malagasy na LOSEM dia mamaritra fa ny fampianarana ambaratonga voalohany dia haharitra enim-bolana. Navoaka ve ireo didy fampiharana azy? Hanjavona amin’ny taona 2025-2026 ve ny CEPE? Ny famitaham-bahoaka amin’ny filazàna fa maimaimpoana ny fanabeazana dia mbola mampametra-panontaniana. Voasoritra ao amin’ny andininy faha 23, ao amin’ny lalàmpanorenana ihany, fa tsy tokony handoa vola hanomanana ny hoavin’ny zanany ny ray aman-dreny kanefa dia mitohy ny fitakiana sarany amin’ny sekoly amin’ny anarana samihafa.
ATAOVY MANGARAHARA !
Tsy misy mangarahara amin’ny fizaràna ny vola fanohanana sekoly ary izay manana fahefana ihany no mahazo tombontsoa amin’izany. Aiza ho aiza ny fanabeazana aorian’ny 2025?
Efa hifarana ny «Plan Sectoriel de l’Éducation» na PSE, izay nandrafitra ny politikan’ny fanabeazana tato anatin’ny taona maro. Inona no tombontsoa azo tamin’izany? Misy fiantraikany ve amin’ny fitantanana ara-bola anatiny sy ivelany ho an’ny fanabeazana? Ahoana ny anjaran’ny vondrom-bahoakam-paritra amin’ny fitantanana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana? Eo am-piandrasana ny taona 2030 sy ny tanjona ODD 4, ahoana no hanomanana ny taom-pianarana aorian’ny 2025? Tsy fanabeazana ihany no zo fototra voahosihosy ho an’ny ankizy malagasy. Fandikan-dalàna manerana ny sehatra maro no mahazo azy ireo. Mbola feno sakana ny fidirana amin’ny tobim-pahasalamana ary mampahonena ny tahan’ny ankizy noana. Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha 19 dia milaza fa zo ho an’ny rehetra ny fahasalamana. Tonga ny fotoana hampanjakana ny mangarahara, ny fahamarinana ary ny fitsinjovana ny taranaka ho avy. Mangataka fivoriana vonjy maika izahay amin’ny minisitra sy tomponandraikitra rehetra ao amin’ny MEN. Vonjeo ny fanabeazana, hoy hatrany ny santionan’ny voalaza tao anatin’ity taratasy misokatra ity!
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT