Fampianarana

Vondron’ny mpampianatra mpanabe “Avoahay haingana ny datim-panadinana”


  • Alarobia 10 Jona 2020

Mbola tsy mety voafaritra mazava hatreto ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eto amintsika.

 

 

Tsy fantatra na ho voatazona ihany ny daty teo aloha na hisy fihemorana ihany koa miankina amin’ny fifampidinihina hifanaovan’ny Ministra mpisolo toerana ny profesora Assoumacou amin’ireo teknisiana maro samihafa sy ireo mpisehatra amin’ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika. Naneho ny heviny anefa ny Vondron’ny mpampianatra mpanabe na ny VMM fa tsy vita ao anatin’ny iray volana ny fanomanana ny fanadinam-panjakana. Na ireo kilonga madinika aza araka ny nambaran’izy ireo dia mila miomana ara-tsaina ihany koa mba tsy ho tampoka aminy izany. Toraka izany koa ny Ray aman-dReny hoy izy ireo izay mitaintaina fatratra. Miantso ny hamoahan’ny fanjakana haingana ny daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ary Bakalorea eto amintsika araka izany izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT