Fampianarana

Vondrona CPE Mankalaza ny faha-20 taona niorenany


  • Alatsinainy 04 Desambra 2017

Feno 20 taona omaly alahady ny vondrona CPE manerana ny Nosy, izay fanta-daza loatra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Fotoam-pivavahana lehibe notanterahina tetsy amin’ny fiangonana Fjkm Atsimon’i Mahamasina no nentina nisantarana izany, izay nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Raha ny fanadihadiana natao  dia efa  maherin’ny 100.000 ireo mpianatra nandalo teo anivon’ny vondrona CPE raha 400 ny isan’ireo mpampianatra. Hetsika maro loha no entina hanamarihana izany mandritra ity taom-pianarana vaovao ity toy ny  fizarana mari-pankasitrahana ho an’ny mpanabe rehetra niasa teo anivon’ny vondrona CPE. Hisy ihany koa ny fananganana fotodrafitrasa lehibe sy vaovao handraisana ny mpianatra toy ny eny Anosibe, Itaosy, Andoharanofotsy ary Fianarantsoa izay haharitra dimy taona. Tsiahivina fa vonona hiditra ao anatin’ilay rafi-pampianarana vaovao (PSE)  ihany koa ny vondrona CPE. Antom-pisiany, hoy Atoa Ratefiarivony Rado, tale jeneralin’ny vondrona ny hanampiana ny fanjakana amin’ireo zavatra tsy vitany. Tsiahivina fa hanangana lisea ihany koa ny vondrona CPE ato ho ato raha ao anatin’ny vinan’ny tompon’andraikitra ny hisian’ny oniversite CPE mihitsy, izay hitantana ny tanora hatrany amin’ny sehatry ny asa.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT