Fampianarana

Vola alaina amin’ny mpampianatra hanampiana ny DREN Tsy marina, hoy ny tompon’andraikitra


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Velon-taraina ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa teto amintsika tato ho ato fa misy vola alain’ny fitondram-panjakana amin’izy ireo isam-bolana mba hanampiana ny DREN amin’ny fampandehanan-draharaha, hono.

 
1. 500 Ar  izany  ho an’ireo mpampianatra eny anivon’ny EPP ary 3.000 Ar kosa ho an’ireo mpampianatra eny anivon’ny CEG.  Rehefa nanontaniana ny teo anivon’ny DREN eto amin’ny Faritra Analamanga dia nambaran’ny tompon’andraikitra iray fa tsaho iniana aely fotsiny io hanakorontanana saim-bahoaka. Tsy marina, hoy izy satria manana trosa amin’ny fanjakana izahay. Mbola nomarihin’ity tompon’andraikitra ity ihany koa fa tsy nangataka vola tamin’ny mpampianatra izy ireo na dia indray mandeha aza. Afaka mijery  ny fidiran’ny vola sy ny fovoahany eo anivon’ny DREN izay tompon’andraikitra afaka manao izany. Mikasika ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ny DREN moa dia nomarihin’ity tompon’andraikitra ity fa tsy misy vola tonga dia milatsaka avy hatrany ihany koa fa marobe  ireo dingana tsy maintsy arahina vao tonga eo am-pelatanana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT