Fampianarana

Vokatry ny fahasahiranana Niala ekolazy volana oktobra ny Ray aman-dReny


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Mbola vitsy amin’ny ankapobeny ireo mpianatra tonga mianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana raha oharina tamin’ny taon-dasa.

 

Ho an’ny kolejy La Prime etsy Anosibe ohatra dia vao ny 1.000 isa amin’ireo mpianatra no tonga raha tokony ho 1500 isa izany. Raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly Solonandriana Lanto dia niala tamin’ilay fandoavana saram-pianarana volana oktobra ny Ray aman-dReny noho ny fahasahiranana nateraky ny krizy vokatry ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika. Na izany aza anefa hoy izy dia tsy mitovy kosa ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo mpianatra nianatra nanomboka tamin’ny volana oktobra sy amin’ity volana Novambra ity. Somary niakatra kely mantsy ny an’ireo izay hiditra manomboka androany. Mikasika ny ady amin’ny valan’aretina Covid 19 moa ho an’ity sekoly ity dia mitohy hatrany ny fanasan-tanana amin’ny rano sy savony ho an’ny mpianatra rehetra raha vantany vao miditra ao an-tsekoly. Toraka izany koa ny fanajana ilay elanelana 1 metatra sy ny famendrahana ranom-panafody ny efitrano fianarana isaky ny faran’ny herinandro. Tsiahivina moa fa nahatratra 72% ny taham-pahafaham-panadinana CEPE ho azy ireo raha 80% kosa ny BEPC.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT