Fampianarana

Voka-pikarohan’ny mpianatra Malagasy Azo avadika ho biriky hanaovan-trano ny taratasy


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Tsy mitsaha-mivoatra ny fikarohana hataon’ny mpianatra eto amintsika. Efa azo havadika ho biriky hanamboaran-trano ny taratasy amin’izao no sady mora vidy kokoa. Ireo taratasy tsy ilaina intsony miparitaka eny rehetra eny no

hampiasaina amin’izany. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa 80 na 100 Ar amin’izao ny vidin’ny biriky iray eny am-potony. Moramora kokoa anefa ny vidin’ity biriky vita amin’ny taratasy ity raha oharina amin’izy ireny. Tsy hatahorana hirehitra koa io biriky io raha sanatria ka misy fahamaizana ny trano nanamboarana azy noho izy efa manaraka ny fenitra sy nanaovana andrana maro raha araka ny fanadihadiana natao. Ireo mpianatry ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo ao amin’ny taona faha-efatra nanaraka ny lalam-piofanana industrie, chimique et petrolier no nahita ity voka-pikarohana vaovao ity. Miisa 7 mianadahy izy ireo no nikaon-doha tamin’izany izay tena reharehan’ny sekoly sy ireo mpikaroka Malagasy tokoa. Izy ireo mantsy no nibata ny amboara ary nankasitrahan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao nandritra ilay hetsika andro iraisam-pirenena momba ny trano fonenana notanterahina teto amintsika ka ilay sokajy fikarohana momba ny kojakoja fanamboaran-trano manaraka ny fenitra no nahazoany ny laharana voalohany tamin’izany.
HAMORONA ASA –HIARO NY TONTOLO IAINANA
Hamorona asa maro ho an’ireo olona maro tsy an’asa eto amintsika ity voka-pikarohana vaovao ity. Ankoatra ny mety ho fanentanana ny isan-tokantrano mba hanangona ireo taratasy tsy ilainy intsony mantsy dia hisy ihany koa ny fampiasana tanora marobe hanao izany asa izany rehefa tena mandeha ny tetikasa. Sady hadio ny tanana manoloana izany no ho voaaro ihany koa ny tontolo iainana manoloana ireo setroka miparitaka ateraky ny fandorana taratasy. Aretina maro ihany koa no mety ho voasoroka hoy Raboanary Tantely, talen’ny serasera eo anivon’ny sekoly ambony ISPM manoloana ireo taratasy tehirizina mety hiteraka bobongolo….Na izany aza anefa dia hijanona ho fananan’ny sekoly ity voka-pikarohana ity. Hifanampy amin’ireo mpianatra nahita ny vokatra kosa anefa izy ireo mba hahatonga izany ho vokatra tena azo tsapain-tanana ho tonga tsy ho ela eny am-pelatanan’ny mpanjifa ka ho reharehan’ny mpikaroka Malagasy rehetra. Tsiahivina moa ho an’ny sekoly ambony ISPM fa ao amin’ny taona voalohany dia efa mianatra mikaroka ary mamoaka vokatra araka ny lalam-piofanana arahiny ny mpianatra tsirairay mba hahatonga azy ireo ho mpandraharaha hampiasa olona maro fa tsy hiasa aman’olona intsony.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT