Fampianarana

Voka-pikarohana sy fanohanana azy « Mila fanovana goavana ny eto Madagasikara »


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Ny fanohanana voka-pikarohana na « soutenance de Mémoire » na « Thèse » eto Madagasikara dia hafahafa satria miavaka amin’izay fahita maneran-tany,

hoy ny fanehoan-kevitry ny Pr Jonah Ratsimbazafy tao amin’ny tambajotran-tserasera. Tsy eto ihany no nanaovako « Membre de Jury de thèse » fa hatrany ivelany. Gaga anefa ianao fa misy mpitsara (Juge) efa ho adiny iray no miteny ka ny fampiasana ny « Passé composé » sy ny « Imparfait » sy ny « Plus que Parfait », izany hoe, ny « faute de syntaxe » no mameno ny fandraisam-pitenenany fa zara raha miresaka momba ny votoatin’ny fikarohana nataon’ilay mpianatra. Marina fa tokony ho tsara sy lafatra ny teny frantsay amin’ny boky soratana fa matoa iny neken’ny « comité de lecture » dia tsy izay resaka hadisoana amin’ny teny frantsay no roritina lavabe eo. Tena tsy mbola nahita soutenance toy ny eto amintsika mihitsy aho, hoy izy. Fahita matetika io ka rehefa mahafehy tsara ny teny frantsay ilay mpianatra dia voadokadoka be, fa rehefa sahirana na hita fa tsara aza ny asany dia tsy ao anatin’ilay atao hoe “Brillant” na “Intelligent”. Misy moa dia sahy miteny mihitsy fa raofina amin’ny sobika ny “faute de français”-nao ato,…. Toa midika anefa izany fa ilay “Directeur de these” no tsy nanao ny asany. Ny fitsipi-dalao dia mitsikera sy mijery ny lesoka mba hahitsy ny asan’ny “Juge” fa tsy hanala baraka kosa ilay mpianatra amin’ilay andro iray mba nanasany ny fianakaviany, hoy ity mpampianatra mpikaroka ity. Ka tokony hisy ihany izay mba fomba arahina fa tsy samy hiteny izay tiany koa ilay mpitsara. Ny anay tany Amerika tamin’ny nanao fanohanana ny “Doctorat” dia niteny teo amin’ny 45mn manazava ny asa fikarohana nataonao, ka rehefa vita izay dia ny olona rehetra izay manatrika afaka mametra-panontaniana, fa avy eo dia ilay mpiadina sy ny “membres de jury” ihany no mifanatrika eo, ka na hitomany aza ianao ao satria tsy hifampitsitsiana intsony ny adihevitra dia izay vokatra avy eo no ambara ampahibemaso ho an’ny rehetra. Izay ny ahy no tiako aloha, ary iriana ihany koa ny mba hiovan’izany amin’ny manaraka rehefa tsaboina ihany ny oniversite, hoy izy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT