Fampianarana

Voka-panadinana ratsy “Tompon’andraikitra ny fitondram-panjakana!”


  • Talata 24 Septambra 2019

Ny filoha malaza afrikanina tatsimo teo aloha, Nelson Mandela, mihitsy no efa niteny fa raha tiana ny hampandroso firenena dia ny fanabeazana no mila atao lohalaharana, hoy ny filohan’ny antokom-bahoaka Malagasy na antoko politika ABA, Dany Rakotoson.

 

 Efa nisy ny ezaka nataon’ny fitondrana teo aloha raha nametraka ilay praograma PSE izay nokorontanin’ny ramatoa minisitra angamba moa ilay izy ka nampisavorovoro ny sain’ireo Ray aman-dreny sy mpianatra. Tsarovy fa efa niomana anefa izy ireo, hoy izy, hiatrika ny taom-pianarana lavalava satria nisy an’ity tetezana teo amin’ny rafitra taloha ho amin’ny vaovao ity. Rehefa korotanina toy ireny ny sain’ny vahoaka sy ny zanany dia ireny no vokany ary tomponandraikitra ny fitondram-panjakana. Efa tsy afa-mihemotra intsony anefa, hoy hatrany izy, izao fa ny hany azo atao sisa dia ny mamerina amin’ny laoniny ny praograma teo aloha.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT