Fampianarana

Voka-panadinana CEPE niha ratsy Hanao fanadihadiana ny Cisco Antananarivo Renivohitra


  • Talata 03 Septambra 2019

Nihena 6 % raha oharina tamin’ny taon-dasa ireo mpianatra afa-panadinana CEPE teo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra.

 

 

 Raha nahatratra 73 % teo aloha dia nihena ho 67,55 % tamin’ity taona ity izay nambaran-dRamananantony Lalaina, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra fa tsy mbola fantatra hatreto ny antony. Nanomboka nanadihady ny mety ho nahatonga izany izy ireo omaly hahafahana mijery ny lesoka, hanarenana ny ho avy. Raha tsiahivina, ny taranja lazaolana sy ny frantsay no tena nampitarainana fatratra ireo kilonga madinika niatrika iny fanadinana CEPE ity. Na izany aza anefa dia efa nidina teo amin’ny 09 /20 na 09, 50/20 ny naoty nanafahana azy ireo, araka ny lalàna saingy mbola izay ihany no vokatra azo. Mikasika ny fanadinana BEPC izay hotanterahina manomboka amin’ny alatsinainy 09 septambra ho avy izao moa dia fantatra fa anio talata no haka ny laza adina any amin’ny Cnapmad ireo tompon’andraikitra ary hanatitra izany isaky ny Boriborintany mba ambenan’ny mpitandro ny filaminana. Andro maromaro aorian’izay vao alain’ny lehiben’ny foibem-panadinana izany ka tsy hisy hivoaka raha tsy mandritra ny androm-panadinana.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT