VOKA-PANADINANA CEPE 2026

Saika nanodidina ny 80-90 % avokoa ny vokatra


  • Alatsinainy 22 Jona 2026

Saika nanodidina ny 90 % avokoa ny

ankamaroan'ireo voka-panadinana CEPE taona 2026 nivoaka ny faran'ny herinandro teo Fari-piadidiam-pampianarana miisa 11 no fantatra fa efa namoaka izany ka manodidina ny 60% mahery no taham-pahafahana farany ambany indrindra. Azo lazaina ho tsara io vokatra io tamin'ny ankapobeny na dia nisy ihany aza ireo fari-piadidiam-pampianarana nilatsaka kely. Ho an'ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano manokana dia nahatratra 91,27% ny taham-pahafahana. 86,88% kosa ny tao Ambohidratrimo raha 92,73% ny tany Andramasina. Ho an'ny fari-piadidiam-pampianarana ao Imanja indray dia nahatratra 88,56% ny vokatra azo raha 90,77% ny tao Kandreho. 95,39% ny tao Sainte Marie raha 75,79% ny tao Mitsinjo. Tsy tara ihany koa tany Ambatomainty saingy 62,27% monja ny vokatra azo. 85,23% ny tany Sakaraha raha 69,97% ny tao Ambositra.84,57% ny tao Ankazobe, 92,73% ny tao Ambohimahasoa, 86,51% ny tao Vatomandry raha 48,33% ny tao Befotaka. Mbola hitohy hatrany moa ny fivoahan'ny vokatra raha andrasana amin'ity anio ity kosa ny voka-panadinana ho an'ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra.
Nangonin'i Pati
Légende : Hafaliana tahaka izao ny an'ireo ankizy afaka CEPE !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT