Fampianarana

Voka-panadinana BEPC Antananarivo Nihena ho 48,04 % ny salam-pahafahana


  • Alakamisy 13 Jolay 2017

Nivoaka omaly ny voka-panadinana BEPC ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra. Nihena ho 48,04 % izany raha nahatratra 52 % tamin’ny taon-dasa.

 Raha araka ny fazavan-dRakotozafy Ramasy Harisoa, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra dia ny taranja kajy no tena mampilatsaka be ny naotin’ny mpiadina. Ratsy be avokoa tamin’ny ankapobeny ankoatra ny naoty azon’ireo mpiadina tamin’ireo taranja hafa toy ny SVT sy ny tantara sy jeografia izay nampikolay ny maro ihany koa.  Nomarihiny manokana fa ankizy mahay sy mahafehy tsara ny lesona nomena azy nandritra ny taona ireo nahazo ny mari-pahaizana BEPC  ireo. Efa nivoaka omaly ihany koa ny vokatra ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Imerintsiatosika, Arivonimamo ary Firavahana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT