Fampianarana

VIVO ENERGY sy ny mpianatry ny INSCAE Nanampy ny fitaizana zaza kamboty eny Anosiavaratra


  • Zoma 21 Aprily 2017

Nifanome tanana nanampy ny Loharanosoa Toko telo, toerana fitaizana zaza kamboty iray eny Anosiavaratra indray ny orinasa Vivo Energy sy ny mpianatry ny sekoly ambony INSCAE.

Toerana iray lehibe fiompiana akoho no natolony tamin’izany entina hanatsarana ny fari-piainan’ireo ankizy sahirana miisa 150 roa ka hatramin’ny 18 taona beazina ao an-toerana. Tanjona ny hahafahana manome asa vaovao ity ivontoerana iray ity mba hahazoany loharanom-bola vaovao tsy tapaka ihany koa hamatsiana ny sakafon’ireo ankizy na koa hanatontosana ny filan’ny ivontoerana. Nambaran-dRazakaboana Johanne, solontenan’ny Vivo Energy fa andraikitra iraisana ny fanabeazana eto amintsika, indrindra fa ny fikarakarana ny ankizy sahirana tahaka izao. Afak’omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT