Fampianarana

Vina “mpianatra iray, hazo iray” Hatao fandaharam-pianarana ny fambolen-kazo


  • Talata 15 Desambra 2020

Vita omaly 14 desambra 2020 tao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena

 

 

Anosy ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’io Ministera io sy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy amina tetikasa mandritra ny 5 taona sy hanombohana ny fiaraha-miasa akaiky (accord cadre), ka nanao izany ny Minisitra Sahondrarimalala Marie Michelle andaniny, ary ny Minisitra Baomiavotse Vahinala Raharinirina ankilany. Hiara-hiasa akaiky amin’ny fanatrarana ilay vina « Madagasikara Rakotr’ala » sy ny vina faha-4 maha laharam-pahamehana ny fanabeazana maha olom-pirenena ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy. Amin’ny alalan’ilay fandaharan’asa “mpianatra iray, hazo iray” na “un élève, un arbre” no hanatanterahana izany. Ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra, faharoa ary lisea miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no ho voakasik’izany mba hanabeazana ny ankizy ho tia miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana, hoy ny fampitam-baovao. Tanjona ny hametraka fitondran-tena hahalala ny fampiasana ara-drariny sy ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Tsy maintsy hampidirina anatin’ny fandaharam-pianarana eny anivon’ny sekoly rehetra ny fianarana mamboly hazo mba hahalasa banky mpamatsy hazo ny sekoly isan’ambaratongany, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena. Hapetraka arak’izany ny fomba fiasa amin’ny fanaovana fanentanana ara-teknika sy ny fampianarana izany miaraka amin’ny CISCO sy ny fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana (DREDD) manerana ny faritra 22. Efa misy tanin-jana-kazo maherin’ny 200 isa iarahan’ny CISCO sy ny DREDD eran’i Madagasikara nanomboka tamin’ny fidiran’ny mpianatra teo.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT