Fampianarana

Velon-taraina ny mpampianatra «Kely karama izahay kanefa miasa be »


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Re matetika tato ho ato, rehefa miresaka fanabeazana, fa mitotongana ny fampianarana eto Madagasikara.

 

 

 Samy tompon’andraikitra amin’izany avokoa na ny mpampianatra na ny ray aman-dreny na ny mpianatra, indrindra ny fitondram-panjakana. Raha ny momba ny mpampianatra manokana, dia tsikaritra fa mihavery hasina hatrany izy ireny, tsy manana ny toerany toy ny fahiny intsony, tsy mandray ny karama sahaza azy, atao faralahin’olona raha samy mpiasam-panjakana. Ny sasany aza dia ny ray aman-drenin’ny mpianatra no manakarama azy amin’izay eo am-pelatanana. Misy akony ratsy amin’ny kalitaon’ny fampianarana eto amintsika ireo zavatra iainan’ny mpampianatra ireo. Mijoro vavolombelona sy manolotra vahaolana amin’izany ireto mpampianatra vitsivitsy ireto.

Natao an-jorom-bala hatrany

Efa hatramin’izay mihitsy no natao anjorom-bala foana ny mpampianatra amin’ny fampianarana teknika sy arak’asa, nefa hirahirain'ny mpitondra fa vahaolana azo entina miady amin'ny tsy fananana asa. Vao miainga any amin’ny « recrutement » dia efa manjaka ny kolikoly avo lenta, hany ka mahaketraka am-boalohany. Etsy an-daniny, tsy ampy na efa antitra ny fitaovana ety amin’ny lisea teknika, ka tsy ahafahana manatontosa an-tsakany sy an-davany ny fampianarana. Raha ny karama indray, tsy mitovy ny mari-karama eo amin’ny samy mpiasam-panjakana, hany ka tena mafy ady ny mpanabe. Vokatr’izay dia lasa tsy asian’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra vidiny izahay. Tsy fitaratra ho an'ny fiarahamonina tsinona ny « niveau de vie » an'ny mpampianatra. Na eo anivon'ny fianakaviana aza dia "mpampianatra kely" no mba iantsoana anay satria kely karama raha oharina amin'ny fonksiônera rehetra. Ny vahaolana izany dia ny fanatsarana ny fitantanana mba hangarahara, indrindra ny momba ny « recrutement ». Tokony hampitoviana ihany koa ny « grille indiciaire » eo amin'ny mpiasam-panjakana rehetra ary averina ny hasin'ny mpampianatra. Miainga amin'ny politikam-panjakana avokoa anefa izany rehetra izany, dia ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana eto amintsika.

Mila tomban’ezaka

Tsy mba misy mihitsy  ny tomban’ezaka atao amin’ny mpampianatra, ahafahana mahita na tena hainy na tsia,  ny fahaiza-miasa sy ny fahaiza-manao entina mampianatra ny zanaka malagasy. Na ny mpampianatra aza lasa tsy mahatoky ny lanjany intsony. Sady amin’izao, izay te hampianatra dia lasa mampianatra. Etsy an-daniny, tsy te hikitika ny mari-karaman’ny mpampianatra ny Fanjakana. Mihena miaraka amin’zany koa ny tombam-bidin’ny mpampianatra. Lasa mora kely ny manodinkodina ny sain’ny sasany, vokatr’izany. Tsy mandray ny andraikitra maha mpampianatra azy intsony izy, fa lasa izay hahazoana vola sisa. Tena misy mihitsy ny sekoly tsy azo ampianarana zanaka, noho izany. Lasa ny mpampianatra rehetra avy eo no voatondro molotra. Amiko, ny vahaolana dia ny fanaovana « évaluation » matetika an’ireo mpampianatra. Tokony omena fiofanana matetika ihany koa izy ireo. Ary efa tokony mba jerena akaiky ihany koa ny momba ny « grille indiciaire ».

 

 

 

Ambany ny “niveau”

Ny « niveau » an’ny mpanabe mihitsy no hitako ho ambany, indrindra ny any amin ny EPP sy ny CEG, satria betsaka ireo tsy nandalo fiofanana akory, fa tsy nahita asa dia lasa nampianatra. Ankoatra izay, tsy mamparisika ny mpampianatra hanao tsara ny asany ny karama izay tena kely dia kely. Nytambin-karama moa dia efa tsy mifanaraka amin ny vidim-piainana intsony mihitsy, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny « indemnité de logement », izay 14.000 Ar ho an’ny mpampianatra, nefa 200.000 Ar ny an ny miaramila. Ny vahaolana atolotro dia tsotra ihany : ampitoviana ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana rehetra.

Fandraisana mpampianatra

Tokony hamafisina ny mason-tsivana amin’ny fandraisana ho mpampianatra. Tokony ho olona voavolavola ho mpanabe no horaisina ho mpampianatra. Tokony arahi-maso tsara ihany koa ny eny anivon’ny sekoly, mba ho tena tompona taranja no mampianatra an’ilay taranja, fa tsy hoe : olona nianatra momba ny tantara sy jeôgrafia, na nianatra filôzôfia no hampianatra taranja frantsay.

Olana ara-tsosialy, manimba ny fampianarana

Ny olana samihafa matetika re mahakasika ny fampianarana eto amintsika dia olana ara-tsosialy fa tsy tena resaka fampianarana na votoatim-pahalalahana akory, toy ny asa an-tselika, “cours” eny anelankelan-trano, mpampianatra FRAM, tanora manana diplaoma fa tsy an’asa. Ho an`ny fampianrana ambony dia matetika miverimberina ny olan’ny vatsim-pianarana, ny karaman’ny mpampianatra SECES, ny tambin-karama. Lasa voageja ao anatin’ny olana ara-tsosialy ny tontolon’ny fanabeazana eto amintsika. Manana olana amin’ny fitantanana ve izany isika, nefa manana sekoly mampianatra manokana momba ny fitantanana maro?

Marigny ANDRIANTSOAVA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT