Fampianarana

Vatsim-pianaran’ireo mpianatra any Toamasina Efa any amin’ny oniversite ny baolina, hoy ny ministera


  • Zoma 29 Mey 2020

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika mikasika ny fitakian’ireo mpianatry ny oniversite ao Toamasina ny vatsim-pianarany ka nahatonga azy ireo hitokona, omaly.

 

 

 

 

Fantatra tamin’izany fa izy ireo no mikarakara ny taratasim-bolan’ ny minisitera ary alefa any amin’ny ministeran’ny vola sy ny toe-karena izany rehefa vita. Ireto farany indray avy eo no mikarakara ny sora-bola ary mandefa ny lela-vola any amin’ny kaontin’ny oniversite tsirairay avy any amin’ny banky. Ny oniversite indray avy eo no mizara izany any amin’ny mpianatra araka ny fandaminana raisiny. Ho an’ny oniversite an’i Toamasina manokana dia nohazavainy efa lasa tany amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola ny taratasy mahakasika ny vatsim-pianarana. Efa nandeha tamin’ny faha-16 desambra 2019 ny famindrana an’ireo vatsim-pianarana ireo tany amin’ny kaontin’ny oniversite. Ny oniversite araka izany no mahafantatra ny olana mety misy fa tsy andraikitry ny ministera roa intsony hoy izy ireo. Mikasika ny vatsy indray dia efa manomboka ny fizarana andiany fahatelo ny ministera izao, natomboka teto Antananarivo tamin’ny alatsinainy teo izany ka hotohizana any amin’ireo oniversite misy amin’ny faritany hatramin’ny faran’ny herinandro.

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT