Fampianarana

Vatsim-pianarana mbola tsy nivoaka Nitokona ny mpianatry ny ISTRALMA Alaotra


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Nidina an-dalambe ireo mpianatra ao amin'ny Oniversité ISTRALMA (Institut Supérieure de Technologie Régionale d’Alaotra Mangoro) omaly.

 

 Anton’io ny faharenesan’izy ireo, fa efa nisitraka ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana ny ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Mangataka "campus universitaire" sy ny hanambarana ho iray ity oniversite ity izy ireo satria misy mianatra any amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana ary ny sasany ao Andrarabary. Mbola tsy nahazo diplaoma ihany koa ireo izay nangataka izany satria tsy afaka nandray anjara tamin'ireo fifaninanana maro nidirana ho mpiasam-panjakana. Niditra an-tsehatra nisakana ny hetsika nataon’ny mpianatra, izay nidina an-dalambe moa ny mpitandro filaminana. Mbola tsy tena milamina izany ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana hatreto noho ny antony maro samihafa. Nanome fe-potoana 72ora ireo mpianatra, ary naneho fa ho avy indray amin’ny angady sy ny harona, vao tsy tonga ao anatin’io ny vatsim-pianarana 4 volana miaraka amin’ny fampitaovana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT