Fampianarana

Vatsim-pianarana mankany ivelany Firenena 4 no tena mahaliana ireo tanora Malagasy


  • Sabotsy 10 Febroary 2018

Firenena efatra no mbola tena mahaliana ny tanora Malagasy hanohizana fianarana any ivelany ankehitriny dia i Canada, Autriche, Allemagne ary Etazonia, raha araka ny fanadihadiana natao.

 Ho an’i Autriche manokana mantsy raha araka ny fanazavan’i Jacky Fanambinana, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Faneducation Agency dia mbola misy any an-toerana ny oniversitém-panjakana tsy handoavam-bola nefa tena tsara tokoa. Ankoatra izay dia ny lalam-piofanana  informatika sy ny business administration no tena mahaliana ny mpianatra noho izy ireo mora ahitana asa. Mba ho fanampiana ireo tanora mpianatra Malagasy maniry ny hanohy ny fianarany any ivelany ary dia tanterahina etsy amin’ny hotel Louvre Antaninarenina nanomboka omaly ilay hetsika “ Education Global  Expo” karakarain’izy ireo.  Hifarana anio sabotsy izany ka ny tanjona dia ny mba hahafahana manampy sy manohana ireo tanora mpianatra amin’ny fikasany hivoaka any ivelany na amin’ny resaka fikarakarana taratasy izany eny hatramin’ny fitsenana azy eny amin’ny seranam-piaramanidina sy ny trano honenany. Tsiahivina moa fa efa nahatratra 50 isa ireo tanora Malagasy mpianatra nalefan’ny Faneducation Agency tany ivelany tamin’ny taona 2017 lasa teo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT