Fampianarana

Vatsim-pianarana eny Ankatso Tsy mbola nivoaka ny tetiandron’ny DEGS


  • Zoma 19 Janoary 2018

Milamindamin-dratsy indray aloha ny eny anivon’ny anjerimanontolon’Antananarivo amin’izao.

 Nivoaka ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana amin’ny ankapobeny ho an’ny Fakiolite sy ny ivontoerana maromaro. Ho an’ny ao amin’ny Haisoratra, ohatra, dia nivoaka avokoa ny 4 volana rehetra ambiny sisa tsy voaloa dia ny volana faha-6 hatramin’ny faha-9, ka ny 23 janoary hatramin’ny 01 febroary no hitsinjarana azy. 4  volana ihany koa no indray horaisin’ny eny amin’ny sekoly Politeknika eny Vontovorona. Vatsim-pianarana 2 volana kosa ho an’ny Sampana fitsaboana. Hatramin’ny omaly hariva kosa tsy mbola nivoaka ny an’ny DEGS, ka maro ireo mpianatra no efa mimenomenona indray satria tsy nitana ny teny nomeny ny tompon’andraikitra. Tsy hay kosa anefa izay fandaminana na hivoaka anio na amin’ny herinandro ambony. Ankoatra izay, anisan’ny olana manokana ho an’ny eny amin’ny Sekoly ambony Politeknika Vontovorona ilay resaka fampiakarana ny saran’ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra vao hiditra taona voalohany. Nilaza ny hanohy ny fitokonany ny mpianatra ny fiandohan’ny herinandro teo raha tsy mankasitraka izay ny ankamaroan’ny mpianatra. Ny olan’ny SECES Antananarivo ihany koa, tsy mbola hita soritra ny fivahan’ny olana na dia efa mety mandeha ihany aza. Tsy mety milamina sy mirindra ny resa-bola eny amin’ny anjerimanontolo eny na dia efa voafaritra ao anatin’ny tetibolam-panjakana aza. Saika isaky ny misy fanairana na fitokonana vao mikoropaka ny fanjakana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT