Fampianarana

Vatsim-pianarana any ivelany tsy voaloa Tsy raharahian’ny Minisitera, miantso vonjy ny UMABEX


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Mitohy ny antso avo sy fitarainana ho an’ireo mpianatra Malagasy nahazo vatsim-pianarana nakany ivelany, izay toa lasibatry ny tsy firaharahiana ankehitriny.

Nandefa taratasy miantefa any amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa mantsy ny Vondron’ireo Malagasy nahazo vatsim-pianarana any ivelany na ny UMABEX (Union des Malagasy Boursiers Extérieurs) tamin’ny alalan’ny filohany Ramazana Bezandry Luciano Chan, fa efa herintaona mahery izao no niandrasan’izyireo ny “allocation financière” na ny “bourse d’Etat” ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 mitentina 250 dolara isan-taona, izay tokony horaisina isan-taona amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony. Milaza ireo mpianatra fa nampanantenain’io Minisitera io fa ny volana jolay teo no hisitrahana izany, ka niandry am-pahendrena na teo azan y fahatazarana aman-taonany, kinanjo mbola nanatena poakaty indray. Rehefa nisy indray ny fifampiresahana tamin’io Minisitera io volana maromaro lasa izay dia novaliana indray fa any amin’ny Primatiora, ka nomena roa herinandro iandrasana ireo mpianatra, saingy dila ny fotoana tsy nisy tohiny. Vao tsy ela, niova ny Tale ara-bola na DAAF an’ny Minisitera ka tsy hananan’izy ireo fifandraisana hatreto. “Ny vaovao farany azonay dia amin’ny 12 oktobra izao no mifanarana sy mikatona ny “engagement” ao amin’ny minisitera koa raha tsy mivoaka alohan’izay dia mety tsy ho azonay intsony io vatsim-pianaranay io”, hoy ny UMABEX. Tsy hanaovana fialam-boly io vola io Tompoko, fa hivelomanay (sakafo, hofan-trano, fahasalamana, fianarana,…), ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny “billet de rapatriement) ho an’ireo izay efa nahavita fianarana izay maro no nangataka fa tsy misy valiny, hoy ny fanamarihana. Maro ihany koa no voalaza fa tsy misy taratasy ahafahana mijanona amin’ny firenena misy azy intsony, ka miafina lalandava. Maroc, Algérie, Tunisie, Egypte, Indonésie, Chine, Russie, Cuba no isan’ny firenena ahitana Malagasy ianjadian’izao olana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT