Valin-kafatry ny SECES ho an’ny Fanjakana

« Vahaolana mahomby sy mitondra filaminana maharitra aroso »


  • Alarobia 21 Aogositra 2024

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra

rehefa nihaino ireo fanehoan-kevitra nataon'ny fahefana mpanatanteraka mikasika ny olana lavareny iainan'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ary nahatsapa ny tsy fisian'ny fiovana manoloana izany. Efa nampahafantarina sy natolotra ireo tompon'andraikitra mahefa, na am-bava, na an-tsoratra ny vahaolana azo ampiharina rehetra mifandraika amin'izany, toy ny soso-kevitra, antontan-taratasy, antontan'isa, tolotra didy aman-dalàna ary volavolana fikaonandoham-pirenena momba ny Fampianarana sy Fikarohana eto Madagasikara, hoy ny SECES Nasionaly anatin’ny fanambarany mitondra ny datin’ny 19 aogositra 2024. Eo anatrehan'izany, dia entanina ny tompom-pahefana, hiroso amin'ny fametrahana ny filaminana sosialy, arak'ireo tolo-kevitra avy eny ifotony, izay antoky ny fahombiazana akademika; ary anisan'izany ny fanadiovana, amin'ny lafiny rehetra, hanavahana ny vary amin'ny tsiparifary, hoy hatrany ny fanambarana. Misintona ny sain'ny fahefana mpanatanteraka ihany koa ny SECES, mba handroso vahaolana voadinika tsara sy mahomby ary hitondra filaminana sosialy maharitra. Tsara moa no mampahatsiahy, fa ny 12 aogositra lasa teo, dia notondroin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho ampiasain’ny mpanao politika hanakorontana ny mpianatra, ratsy tantana ny oniversite, tsy tonga any amin’ny mpianatra ny vola, mandany vola ny ora fanampin’ny mpampianatra mpikarika,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT