Fampianarana

Vakinankaratra Mitsahatra avokoa ny fampianarana amin'ny endriny rehetra


  • Alarobia 08 Jolay 2020

« Mitsahatra avokoa ny fampianarana amin'ny endriny rehetra, na ireo ankizy hanala fanadinana na ireo "classes intermédiaires".

 

 

Voakasik’izany avokoa na ny fampianarana an-tsekoly, Cours, fanofanana isan-karazany na ny fampianarana ankapobeny na ara-teknika ». io no votoatin’ny tenimita laharana 032/MENETEP/SG-DRENETEP Vak/Dir/SP nivoaka ny 7 jolay 2020 ary nanaovana fampahafantarana ho an’ny besinimaro. Noraisina ny fepetra hoy ny fanampim-panazavana « mba ho fiarovana ny zanatsika tsy hitondra, na haka ny valan'aretina COVID 19 » ary « manankery eran'ny faritra Vakinankaratra ny fepetra». Tsy azo atao ny fakana "devoir", na ho an'ny mpianatra na ny ray aman-dreny, fa raha mety dia fifandraisana ara-nomerika no atao, mba hisorohana amin'ny fifampikasohana sy famindrana otrik'aretina. Manentana ny mpianatra ny DRENETEP Vakinankaratra mba tsy hivoaka ny trano, hanaja ny fihibohana, ary hianatra ao antrano eo am-piandrasana ny datim-panadinana omen'ny fanjakana sy ny fotoana hiverenan'ny fampianarana indray.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT