VAKANSY LEHIBE- KAOMININA IVATO

Hahazo « cours d’anglais » maimaim-poana ny tanora


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Betsaka ireo tanora manana traikefa nefa tsy mahafehy teny vahiny no tsy tafiditra miasa.

Antony iray vao mainka mampitombo isa hatrany ireo tanora tsy an’asa eto amintsika io ka hanaovan’ny kaominina Ivato, distrikan’Ambohidratrimo ezaka manokana tarihin’ny Ben’ny tanana Randrianarisoa Penjy. Hanome cours d'anglais maimaim-poana ho an’ireo tanora ao aminy ny kaominina mandritra ity fialan-tsasatra lehibe ity. Mpampianatra efa tena za-draharaha sy manana ny maha-izy azy no hampita ny traikefany amin’izany. Hatao ao amin'ny Fokontany K5 ny fisoratana anarana ho an’ireo izay vonona raha hanomboka ny 16 jolay avy izao kosa ny fampianarana raha araka ny vaovao azo izay haharitra 1 volana. Na izany aza dia fantatra fa noferana ho tanora miisa 100 ihany no afaka handray anjara mba hahamatihanina azy ireo raha ao amin’ny EPP Ivato no hanaovana ny fampianarana.
Pati
Legende : Handoavana volabe ny mianatra teny vahiny tahaka izao raha any amin’ny sekoly voatokana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT