Fampianarana

UNICEF Hiantoka ny famerenana an-tsekoly ny mpianatra


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

80%n` ireo sekoly maneran-tany dia nanakatona varavarana avokoa noho ny “coronavirus” ka mikorontana, araka izany, ny sehatry ny fanabezana.

 

Ny UNICEF, sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny ankizy, dia manamafy hatrany fa hanohana ireo ankizy amin`ny fanohizana ny fianarany ary hiantoka ny filaminana eny amin` ny sekoly. “Mihidy ny sekoly any amin'ny ankamaroan' ny firenena manerana an'izao tontolo izao. Toe-javatra tsy nisy toa izany ary raha tsy mihetsika isika ankehitriny hiaro ny fanabeazana, ny fiarahamonina ary ny toekarena dia hikoroso fahana aorian' ny nandresentsika ity areti-mifindra ity" hoy i Robert Jenkins, lehiben' ny UNICEF maneran-tany. "Raha nandray ireo lesona nandritra ny fanakatonana ireo sekoly tamin` ny fanoherana ny aretina “Ebola » dia tsikaritra fa nitombo isa ireo ankizy nijanona nianatra. Ahiana ho maro no tsy ho afaka hiverina any an-tsekoly intsony aorian` ny COVID-19. Ny fanomezana azy ireo fomba hafa hianarana sy fanampiana azy ireo amin'ny fanaovan-javatra mahazatra dia ampahany lehibe amin'ny asantsika" hoy izy. Manoloana izany, dia hanolotra fanampiana mitentina 13 tapitrisa dolara ny UNICEF entina hisorohana izany fanakorontanana izany. Firenena 145 no hisitraka izany fanampiana izany entina hanarina haingana ny fanabeazana. Eto Madagasikara dia hiompana aminà teboka dimy ny asan` ny UNICEF: hanohana ny governemanta Malagasy hiatrika ny krizy; hiantoka ny fiarovan` ireo sekoly indrindra eo amin`ny sehatry ny fidiovana; hiantoka ihany koa ny fanohizana ny fampianarana sy hamporisika kokoa ny fianarana an-davitra (programmes d'apprentissage à distance); Hanampy tosika ny famerenana ireo ankizy an-tsekoly marenana ny nosy; ary hanamafy ny fanarahana ireo asa rehetra eo amin` ny sehatry ny fanabeazana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT