Fampianarana

Tsy te hahalala ny mpampianatra 500 000 ariary ny karama


  • Talata 10 Jolay 2018

Nafana ny tolon’ny mpampianatra teny amin’ny tokotanin’ny minisiteran’ny fanabeazana Anosy omaly.

Mihamitombo isa hatrany izy ireo no manatevina ny fitakiana. Teboka dimy no azo hamehezana ny fitakiana ka anisan’izany ny fampiakarana ho 500 000 ariary ny karama isam-bolana, efa resaka teny amin’ny kianjan’ny 13 mey nandritra ny tolona ho an’ny fanovana io. Eo ihany koa ny fampiharana avy hatrany ny « reclassement » amin’ny « catégorie » rehetra ary ny fampidirana mpampianatra FRAM miisa 10 000 ho mpiasam-panjakana avy hatrany. Tsy misy adihevitra lava be atao fa tanteraho aloha ireo dia hita eo ny manaraka, hoy ireto mpampianatra ireto, izay tsapa fa tena mijoro ary tsy manana eritreritra ny hilefitra intsony. 500 000 Ariary io aza, hitanay ho tena tsy ampy saingy tsy maintsy mba mifampitsinjo ihany, hoy ny mpampianatra iray avy amin’ny CEG. Mila mandray fanapahan-kevitra haingana ny fanjakana raha tiana hiverina an-tsekoly ny ankizy, ary tompon’andraikitra feno amin’ny mety tsy hisian’ny fanadinana amin’ity taom-pianarana ity ny governemanta sy ny fitondram-panjakana iray manontolo raha mbola manao be marenina amin’ny fitakianay mpampianatra, hoy izy ireo. Mitohy hatrany ny fivoriana etsy Antanimbarinandriana, ary raha ny re omaly dia efa maro ireo mpampianatra any amin’ny faritra no mitokona tsy mampianatra ihany koa fa tsy Antananarivo na ny tanàn-dehibe ihany no misy fitakiana. Tena marary ny mpampianatra, hoy hatrany ny resaka teny Anosy omaly. Ela nandeferana loatra ka tsy hanaiky intsony kosa amin’ity indray mitoraka ity fa mitaky ny tena fanovana. Mbola resaka hafa ny hoe fiahiana ara-tsosialy sy ny trano fonenana, hoy izy ireo fa ny karama sy ny fikarakarana ny antontan-taratasy aloha no resahana amin’izao fotoana. Farany dia nilaza izy ireo fa nahazo 80  000 ariary ny mpiraki-draharaha ny fitsarana sy ny mpandraharaha ny fonja. Manam-bola ny fanjakana, hoy izy ireo matoa mahavita an’izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny manazava an’io, hoy ny mpampianatra fa tsy mety kosa raha misy fanavakavahana kanefa samy manao fitakiana izao ihany ary sehatr’asa samy manana ny maha izy azy ireo ao anatin’ny fiainam-pirenena.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT