Fampianarana

Tsy nivaha ny olan’ny Seces Hantsoina ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Nivory be tetsy Ankatso omaly ny Seces sampana Antananarivo.

 

Nisy ny tatitry ny fihaonan’ny solontenan’ny Seces manerana ireo faritany miisa 6 eto Madagasikara taorian’ny fampiantsoana nataon’ny minisitry ny fampianarana ambony azy ireo. Nahatsapa ny sampana rehetra fa tsy nisy vokany ny fihaonana tamin’ny minisitra ny talata teo, hoy ny filohan’ny Seces Tana, Sammy Grégoire Ravelonirina. Karazana filazana fa tsy tomponandraikitra amin’ny olan’ny Seces ny minisitra no nitranga. Manoloana izany dia nandefa taratasy any amin’ny filoham-pirenena indray ireto sendikan’ny mpampianatra mpikaroka ireto ary niara-nanaiky fa hitatitra any amin’ny sampana misy azy avy ny zava-nitranga. Nanamafy ny Seces fa mitohy ny fitokonana ary hampahafantatra ihany koa amin’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra isam-paritra sy pedagojika ny zava-misy izy ireo ny zoma izao. Ny talata kosa dia hatolotra ireo mpianatra mandranto fianarana sy maniry handranto fianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana izay fampahafantarana ny olana misy izay. Maniry ny Seces fa horaisin’ny filoham-pirenena ary efa manana soso-kevitra ny amin’ny vahaolana koa izahay, hoy hatrany ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT