Fampianarana

Tsy mivaha ny olan’ny LRN Ambatondrazaka Nidina an-dalambe ny mpianatra


  • Talata 24 Oktobra 2017

Miitatra toy ny sima misioka ny olana ao amin’ny Lisea Ranohavimanana Norbert (LRN) ao Ambatondrazaka. Taorian’ny mpampianatra izay tsy nankasitra ny fanovana ny Proviseur ao amin’ity lisea ity,

 dia nitroatra ihany koa ireo mpianatra an’arivony omaly 23 oktobra. Raikitra ny fidinana an-dalambe nitaky ny fialan’ny “Proviseur” vaovao nianga teny Antsahamarova toerana misy ny sekoly, ary nivantana teo anoloan'ny biraon'ny CISCO, avy eo namonjy ny biraon'ny DREN Alaotra Mangoro. Nikorontana tanteraka noho izany ny fifamoivoizana tao Ambatondrazaka renivohitra. Ankoatra ny fitakiana ny fialan’io tompon’andraikitra vaovao io, dia avelao izahay hianatra hoy ny antsoantson’ireo ankizy! Tsy manaiky hiara-hiasa amin’io Proviseur io ireo mpanabe ao amin’ny LRN, ka efa ho iray volana izao ny fifandroritana. Hatreto tsy mety hita ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa tonta ka lasa ny mpianatra no voasazy tsy fidiny. Handeha hisotra ronono amin’ity taom-pianarana ity ny Proviseur teo aloha Claude Aristide, ka nanendry olom-baovao handimby ny toerany ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Tampoka tamin’ireo mpanabe anefa izay fanendrena izay ka nahatonga azy ireo nitady fanazavana tamin’ny tomponandraikitra. Nambaran’ ny Proviseur vaovao Rabezaharivelo Hasina, fa ara-dalana ny antontan-taratasy rehetra mahakasika azy matoa izy nandeha tao Ambatondrazaka. Marihina fa Inspektora pedagojika tany amin’ny DREN Itasy izy no voatendry hitantana ny Lisea ao Ambatondrazaka. Resaka nandeha sy voalaza ho isan’ny fanoherana ny fanendrena azy ihany koa anefa ny resaka mari-pahaizana ananany. Ahiana ho lasa lavitra ity toe-draharaha ity raha mbola tsy misy fandraisana andraikitra ny fanjakana foibe. Ireo mpampianatra rahateo efa tsy mahatoky intsony ireo solontenam-panjakana ao Ambatondrazaka noho izy ireo miovaova hevitra fa tsy mijoro amin’ny fanapahan-keviny.

 Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT