Tsy maintsy mijoro ny SECES

“Tsy azo ekena ny famotehana ny oniversiten’ny zana-bahoaka!”


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Tena maha menatra ny zava-miseho eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny satria misy ny tsy mahay mandray

lesona tamin’ny tantara, hoy ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES Antananarivo. Misy koa, hoy ny filohan’izy ireo, Ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, ny manentsi-tadiny tsy mihaino ny aza atao hisorohana ny mety ho krizy mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Miady an-toerana ny mpitondra fanjakana ambony. Rava ny fitondran’ny miady an-trano. Manohy hatrany ny fampiatoana ny asa fampianarana sy fikarohana eto Antananarivo, noho izany, ny SECES. Miandry hatrany ny fametrahana amin’ny toerany ny hasin’ny fampianarana ambaratonga ambony ny SECES. Ny mpitondra fanjakana no afaka mamaly izany rehetra izany. Manatanteraka fivoriambe in-droa isan-kerinandro ny SECES hanehoana fahavononana hiverina amin’ny fampianarana avy hatrany rehefa misy ny valiny azo ekena na mahafa-po avy amin’ny mpitondra fanjakana. Efa nanao ny ezaka rehetra, nanome sosokevitra hampahomby izany ny SECES. Ny finiavana avy amin’ny mpitondra fanjakana no andrasana fatratra ankehitriny. Satria ve manana oniversite tsy miankina ny mpitondra na afaka mampianatra ny zanany any ivelany dia ho potehina ny an’ny zana-bahoaka? Tsy azo ekena ny famotehana ny oniversiten’ny zana-bahoaka! Tsy maintsy mijoro ny SECES rehefa hita ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana, hoy hatrany ny SECES Antananarivo!
J. Mirija
Légende: Ny filohan’ny SECES Antananarivo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT