Fampianarana

Tsy fianarana noho ny fihibohana Maro ireo sekoly nanome enti-mody


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Raha ny voalazan` ny tetiandrom-piampianarana dia ny zoma 03 aprily lasa teo no tokony hiditra tamin` ny vakansin` ny paska ireo mpianatra.

 

 

 

Saingy noho ny fihibohana, izay naharitra 14 andro, maro amin` ireo katita no tsy nanokatra ny kahieny… Mba tsy ho variana na hilalao fotsiny ireo mpianatra dia samy nandray ny andraikitra mifanandrify amin` izany ireo sekoly. Sekoly iray etsy Malaza Ampitatafika, ohatra, dia nanomana enti-mody mba hanaovan` ireo mpianatra fanazarana. “Hevitra mety izany, satria variana mijery “télé” sy milalao fotsiny ny zaza ao an-trano” hoy ireo ray aman-dreny sendra anay.Misy sekoly hafa ihany koa nandefa ny enti-mody amin’ny alalan’ny e-mail an’ireo ray aman-dreny. Ny fidirana mianatra kosa dia amin` ny 20 aprily izao raha ny tetiandrom-pampianarana hatrany saingy miankina amin` ny fepetra raisin` ny fanjakana ihany izany, hoy ny tompon` ny sekoly. Raha toa ka mianatra avy hatrany aorian` io daty voalaza io dia tonga dia miatrika fanadinana telo volana faharoa (second trimestre) ireo mpianatra, satria tao anatin` ireo herinandro fihibohana mihitsy izany no tokony natao, mialohan` ny hidirana amin` ny telo volana fahatelo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT