Fampianarana

Tsy famahana ny olan'ny SECES Hovonoina ny Oniversitem-panjakana


  • Alarobia 09 Aogositra 2023

Tsy mety mivaha ny olan'ny Sendikan'ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na ny SECES. Manamafy ny fitakiany ny ora fanampiny na

Heures complémentaires ny SECES Sampana Antananarivo ny alatsinainy teo, miampy ireo zo sy tambin-karama hafa mbola tsy voaloa. Manamafy ny any Fianarantsoa, izay nanatanteraka fivoriambe niarahan'ny mpanpianatra-mpikaroka rehetra, tsy an-kanavaka, izay
miasa eo anivon 'ny oniversiten'i Fianarantsoa ny Seces Sampana Fianarantsoa ny 31 jolay 2023, fa miankina amin'ny hamalian'ny fitondram-panjakana ny itakiana rehetra nataon'ny SECES izay voarakitra 40 anatin'ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny Filan-kevi-pirenena notanterahina ny 8 sy 9 jona 2023 lasa teo no hamaranany ity taom-pianarana. 2022-2023 ity. Aoka tsy holotoina ny anaran'ny Seces raha toa sanatria ka misy mpampianatra-mpikaroka na mpikaroka-mpampianatra manao ny tsy mety amin'ny anarany manokana, fa rehefa vandana dia kary, hoy izy ireo. Nampahafantatra ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny sy ny fitondrana mahefa ny SECES Sampana Fianarantsoa fa raha tsy misy ny vahaolana mahafa-po sy maharitra mandritra ity herinandro itsahintsika ity dia hiroso amin'ny fampiatoana ny asa fampianarana sy asa
fikarohana ny mpampianatra-mpikaroka miasa eo anivon'ny oniversiten'i Fianarantsoa. Efa karazan'ny tapitra ny fe-potoana ! Olana mandavan-taona ny eny amin'ny oniversitem-panjakana, lasibatra ny mpianatra,... Inona marina no tsy hamahana ny olana sa hovonoina tanteraka ny oniversitem-panjakana Tsy mba tsapan'ny mpitondra ve ny manjo ny zanaky ny Malagasy madinika satria ny any oniversite tsy miankina malaza na any ivelany Foana ve ny kitapombolam-panjakana ka ny mpamatsy solika ny Jirama tsy mahazo vola, ny mpampianatra-mpikaroka mandavan-taona ny fitakiany saingy tsy aloa ny valin-katsembohany,...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT