Fampianarana

Trano fonenan’ny mpianatra Tsy vita noho ny disadisa ny “Bloc Amical 2”


  • Talata 07 Febroary 2023

Namoaka fampahafantarana mitondra ny laharana 004/23/MESUPRES /CROU-A/DIR ny Ministeran'ny

Famplanarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa tamin'ny alalan’ny CROUA (Centre des Œuvres Universitaires d'Antananarivo ) izay eo ambany fiahiany, nampahafantatra ny momba ny fanamboarana ny BLOC AMICAL 2 ao Ankatso l. Rehefa nandeha ny dingana amin’ny maha tsenambaro-panjakana na "marché public" teo amin'ny CROUA dia nanomboka ny asa, telo volana taty aoriana anefa dia tsy niasa intsony ilay "entreprise" satria nisy ny disadisa teo anivon'ny roa tonta ka niafara tamin’ny fanafoanana ny fifanekena sy ny fitanarahana arak’asa izany, hoy ny fanazavana. Taorian'izay dia nanao ezaka ny teo anivon' ny Minisitera namarana ilay trano voalohany izay efa hipetrahan'ny mpianatra amin'izao fotoana izao, hoy ny tatitra. Ankehitriny manao ezaka hatrany ny ministera manarina ny may teny Vontovorona sy io Ankatso 2 io ary efa mampiditra fitaovana tsikelikely nanomboka ny 25 janoary teo ny ministera toy ny "parpaings.ciments", "fers" sy ireo fitaovana maro hafa ary efa nambara teto amin'ny pejy izany fanamboarana izany izay marihina fa tsy voasoratra mialoha ao anaty lalàna mifehy ny teti-bola ny mety hisian'ny loza tahak'ireny, hoy hatrany io minisitera io. Nambara fa mitohy ny asa fanarenana ary niantso ny mpianatra hatrany ho tony ny Minisitera fa tsy vita indray andro ny fanamboarana trano. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa efa ny alin’ny 19 septambra 2020 no may ny Bloc Amical 2 izay nisy mpianatra 70, izany hoe roa taona sy efatra volana aty aoriana mbola tsy voaarina tanteraka. Tany amin’ny martsa 2022, dia nisy ny grevy nataon’ny mpianatra nitaky ny hamitana manontolo ny asa, ary mitady hafana indray izany ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT