Fampianarana

Tovovavy mpianatry ny CEG Antanimena Nentina nijery ny asa sahanin’ireo orinasam-pifandraisana


  • Talata 13 Martsa 2018

Betsaka amin’ireo ankizy mpianatry ny CEG Antanimena no maniry hiasa amin’ireny orinasam-pifandraisana maro isan-tsokajiny eto amintsika ireny rahatrizay.

 

Amin’ny ankapobeny dia lehilahy no betsaka miasa amin’ireny ivontoerana ireny noho ireo antony maro samihafa. Mba ho fanajana ny zon’ny vehivavy, indrindra tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila eo amin’ny roa tonta dia nentin’ny orinasam-pifandraisana Airtel nitsidika ny “Data Center” ivontoerana misy azy ireo eny Ankorondrano ireo mpianatra ireo ao amin’ity CEG iray ity. Am-polony izy ireo no nahazo tombontsoa nanovo fahalalana sy nametra-panontaniana manokana momba ny fikarakarana ny lafiny serasera eto amintsika izay marihina fa anisan’ny asa tena mananosarotra  tokoa nefa mahafinaritra. Tanjona ny hahafahan’ireo ankizy mpianatra mahalala sahady ny tontolon’ny serasera sy ny fivoaran’ny teknolojia avo lenta eto amintsika mba tsy ho latsa-danja amin’ny any ivelany. Tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa ny hetsika.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT