Fampianarana

Tovo Rakotojohary « Zava-dehibe ny fianarana »


  • Talata 01 Oktobra 2019

Ny fianarana ihany no zava-dehibe eo amin’ny fiainana ahafahana manantena ho avy tsara eto anivon’ny firenena, hoy ny kandida ho ben’ny tanàna ao amin’ny kaominin’Ambanivohitr’i Tanjombato, Tovo Rakotojohary na Tovonen.

 

 

 Tanteraka ny herinandro teo moa ny fanolorany loka ho an’ireo ankizy afaka CEPE sy BEPC ao an-toerana ary natomboka niaraka tamin’izany koa ny fanitarana ny trano famakiam-boky sy fianarana informatika ho an’ny CEG Tanjombato. Mahafaly ahy, hoy izy, ny mandre fa avy eto Tanjombato no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny BEPC eto Atsimondrano ary nahazo ny salan’isa 19,88/20. Fanabeazana ara-tsaina, vatana, fanahy no lalan-tsaina mila atao fototra, hoy izy, dia manaraka ho azy avy eo ny fampandrosoana. Nisy fiantraikany ho an’ireo mpianatra kosa, hoy ny talen’ity kolejim-panjakana ity, Liva Rakotojaona, ny taom-pianarana lavabe ary tsapa anefa fa mila hamafisina ny fanaraha-maso ny ankizy ankehitriny. 40% no taham-pahafahana teto Tanjombato ary tena hita fa ilaina ny filaminan-tsaina, raha tiana ny hahomby, hoy izy, satria misy amin’ireo ankizy no tsy afa-mamerin-desona tsara noho ny korontana sy kotaba ary tsy fahampiana eo amin’ny ray aman-dreniny. Nanoloana ny fandrenesana izany olana izany moa dia nanapa-kevitra ny kandida Tovonen ny hiantoka ny 10.000 ariarin’ny saram-pidiran’ireo ray aman-dreny. Izany hoe lasa 35.000 ariary ny saram-pidirana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2019 – 2020 raha tokony 45.000 ariary.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT