Fampianarana

Tontolon’ny oniversite Mitokona ny Seces Antananarivo sy Toliara


  • Zoma 08 Novambra 2019

Nanao fanambarana omaly ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na Seces, sampana Antananarivo, fa tsy mbola nisy vokatra azo tsapain-tanana hatramin’izao mikasika ny fangatahan’izy ireo.

 

 

 

 Tsy ekena, hoy ny Seces sady tsy rariny ny fanaovana ho ambin-javatra ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fampianarana siantifika. Anisan’izany ny tsy fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny lalàna velona laharana 1995-023 tamin’ny 6 septambra 1995 sy ny laharana 2003-008 tamin’ny 5 septambra 2003 ary ny “note d’audience n°105 PM/CAB du 29 avril 2019”, izay vahaolana natolotry ny praiminisitra sady lehiben’ny governemanta. Tsongaina amin’ireo ny tsy fandefasana ny antontan-taratasin’ireo mangataka ny “maintien en activité” araka ny andininy faha 61 ao amin’ny lalàna voalaza teo, ny tsy fandoavana ny “indemnité de recherché et d’investigation-Exercices 2016, 2018” ho an’ireo mpikaroka misotro ronono sy ny sisa ary indrindra ny endrika fanapotehana mivantana na an-kolaka ny tontolon’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly rehetra ao anatin’ny fampiharana ny rafitra LMD. Nanamafy ny Seces omaly fa mitohy ny fampiatoana ny fampianarana sy fikarohana ataon’izy ireo. Nangataka ny filoham-pirenena ihany koa izy ireo mba hahay hifantina ireo tomponandraikitra asaina misahana ny olana eny amin’ny anjerimanontolo. Mba izay tena mahalala ny olan’ny oniversite, hoy ny fanambarana, no aoka omena toerana. Nilaza koa moa iny omaly iny ny solontenan’ny oniversiten’i Toliara fa hanatevin-daharana ny hetsika.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT