Tontolon’ny fanabeazana

Fitokonana faobe manomboka anio, tsy handray baiko…


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny Mpiasan’ny tontolon’ny fanabeazana manerana ny

departemanta minisiterialy eran’ny ny Nosy manomboka anio, araka ny fanambaran’izy ireo omaly tamin’ny alalan’ny mpitarika ireo sendika miisa 5 ahitana ny FM2F Fiombonamben'ny Mpiasan'ny Fanabeazana ho an'ny Fanovana, ny SEMPAMA izay renin’ny FM2F, ny PACEM, SMF,… ary ao anatin’izany ihany koa ny Sendikan’ny Fampianarana teknika, raha ny fampahafantarana omaly tetsy Ampefiloha. Tolona sendikaly iombonanany amin’ny Fiombonamben’ny Sendika eto Madagasikara ivondronan’ny Sendika 81 manerana ny Nosy ny firosoana amin’ny fitokonana faobe manomboka anio 26 oktobra taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana 72 ora nomen’ny SSM hamoahana vahaolana eo anatrehan’ny krizy sy loza mandindona ny firenena io, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny FM2F Kambalahy Fidèle Cheston. Fa manampy izany ny olana anatin’ny fanabeazana satria marary ny tontolon’ny fampianarana, marary ny mpampianatra, natao ankilabao ny fitakiana sy fangatahana an-taonany maro,… ka antony mampijoro azy ireo. Mitaky ny fanesorana ny olana sy ny antsojay politika rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izy ireo; mitaky ny fampiakarana ny “indemnité de logement” izay 14000Ar amin’izao kanefa ny departemanta ministerialy hafa mahatratra 309 000Ar ny farany ambany, ka tokony hampitoviana. Tahaka izany ihany koa ny “intégration” izay nobanahana saingy tsy ara-dalàna, tokony ho 6 taona, kanefa novaina tamin’ny alalan’ny naoty ka lasa 10 taona. Ny “distinction honorifique” tao anatin’ny 4 taona taona tsy nisy kanefa manampy ny mpiasa toy ny lafiny fisotroan-dronono,… Izany rehetra izany no hijoroanay sy itenenanay fa tena tsy mety raha izao fitondrana izao no haverina eo, na izao no mitohy amin’izay tonga eo na iza na iza, hoy ireto sendika ireto. Nanatitra ny taratasy manamarina ny maha-ara-dalàna ny fitakiana ireo mpitarika sendika omaly. Misy ireo milaza ho mpitarika sendika toy ny ato anatin’ny FM2F, misandoka, kanefa tsy afaka mitaky satria miaro ny sezany, ka izahay mpitarika dia voafidy ara-dalàna dia mijoro, hoy hatrany i Kambalaly Fidèle Cheston. Maro, hoy izy, ny tolo-dalàna nandeha hatrany amin’ny 1991 saingy nitsefotra foana vao misy resaka vola, ka raha tsy mijoro dia ho maty momoka ny zavatra sy ny dingana efa natao.
ATSAHARO NY TSINDRY POLITIKA, TSY HANDRAY BAIKO…
Miantso ny fanatsaharana ny tsindry politika atao amin’ny mpiasa ihany koa izy ireo, mba hananan’ny rehetra safidy malalaka fa tsy terena amin’ny loko politika iray, tsy teriterena sy ampitahorina. Nomarihina fa lasa matahotra antsojay ny mpiasa na miombona amin’ny tolona aza. “Manomboka rahampitso dia tsy horaisina avy any amin’ireo mpanao tsindry intsony ny baiko fa horaisintsika avy aty amin’ny tolon’ny sendika”, hoy hatrany I Kambalahy Fidèle Cheston Filohan’ny FM2F.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT