Fampianarana

Tontolon’ny fampianarana Mety ajanona ny fampiharana ny PSE


  • Alatsinainy 28 Janoary 2019

Mbola baraingo tanteraka ny firosoana mankany amin’ny fanatanterahana ilay rafi-panabeazana PSE eto amintsika.

 

 

 

 Raha ny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika vaovao Rtoa Marie Therèse ny sabotsy teo mantsy dia mbola hakana ny hevitry ny maro ny fanatontosana azy io na tsia. Raha ny feo mandeha etsy sy eroa tokoa mantsy dia samy tsy mankasitraka ny fanatanterahana ity rafi-panabeazana PSE ity avokoa ny ankamaroan’ireo mpampianatra sy ny ray aman-dreny. Ho an’ireo eny anivon’ny sekoly tsy miankina manokana, ohatra, dia nambaran’izy ireo fa vao mainka hampitombo ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly ny fanovana ny fidiran’ny mpianatra ho volana martsa satria mbola ao anatin’ny maitso ahitra tanteraka. Tsy hanam-bola velively hampidirana mpianatra sy hividianana fitaovana ny ray aman-dreny noho izany, hoy izy ireo. Ho an’ireo ray aman-dreny indray dia ilay fotoam-pialantsasatra lehibe tafiditra anaty fotoam-pahavaratra mihitsy no tena manahirana azy ireo satria hanano sarotra be ihany ny hitondra ankohonana haka rivo-dranomasina mandritra ny fotoana handalovan’ny rivodoza….Hiroso amin’ny fandinihana ireo rehetra ireo miaraka ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, araka izany. Tontosa ny sabotsy teo moa ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitra vaovao Rtoa Marie Therèse sy ny teo aloha Atoa Horace Gatien.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT