Mbola tsy ampy iray volana akory no nitantanan` ny minisitry ny fanabeazam-pirenena (MEN) vaovao, Sahondrarimalala Marie Michelle, dia efa miseho lany sahady ny tsy fahatokisan` ny mpampianatra sy mpanabe ny mpitondra ankehitriny.
Araka ny loharanom-baovao iray dia mialoha ny fanendrena ny minisitra hitantana ity minisitera ity dia nisy ny fihaonana tamin'ireo mpitarika sendikaly teo anivon ny MEN tamin'ny fiadidiana ny Repoblika sy ny primatiora. Nametraka marimaritra iraisana ny telo tonta amin` ny masontsivana hametrahana izay olona hitantana ity minisitera ity saingy nivoana tamin` ny fifampiresahana moa ny fanapahn-kevitra. Tsy nametraka olana kosa izy ireo satria anjarany Filoha sy ny Praiminisitra no misafidy izay olona mety afaka hiara-hiasa aminy ao anaty governemanta. Manaraka izany, mahakasika ny famolavolana rafi-pitantanana (organigramme). Rehefa misy fanovana na fanatsarana tiana hatao dia ny teknisianina eo anivon` ny MEN no mamolavola izany saingy tsy fantatra hoe rafi-pitantanana mipoitra avy taiza no navoaka. Araka io loharanom-baovao io hatrany dia tsy nitana ny teny nomeny sahady ny minisitra vaovao raha nihaona tamin'ny solontenan'ny mpiasa raha vao nandray ny asany izy. Voalaza tamin` izany fa hiezaka hametraka ny antsoina hoe "promotion interne" ny minisitra saingy mifanohitra amin` izany ny zava-misy. Ny olona rehetra voatendry sy mbola ho tendrena atoato araka ny fantatra dia tsy misy mpiasa avy ao amin` ny MEN ny ankamaroany. Ny fitaleavana misahana ny fiainanan` ny mpiasa (DRH) ohatra dia adminisitratera sivily. Manahy ny hiverenan`ny antsonjay sy ny fahoriana mafy izay noentiny nandritra ny tale misahana ny maha olona izay mpitsara tamin'ny andron` ny fitondrana Rajanarimampianina ireo mpampianatra sy mpanabe, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.