Fampianarana

Tontolon’ny fampianarana Ahiana hikorontana ireo CISCO manerana ny nosy


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Mahagaga sy mampiahiahy ny zavatra misy ao amin`ny minisiteran` ny fanabeazam-pirenena (MENETP).

 

 

 Nanomboka tamin`ny herinandro ambony dia maro ireo “Chef CISCO” manerana an'i Madagasikara  noesorina tamin`ny toerany. Somary mahavariana fa  didim-pajakana (Arrêté ) nosoniavin'ny minisitra mpisolo toerana Rejo Fihenena tamin`ny volana jona, izay efa tsy minisitra intsony nandritra ny volana maro, no nanendrena ireo Chef CISCO ireo.  Zavatra efa tsy manaraka ny lalàna io fanapahana io. Tsy afaka namoaka didy vaovao ve ny minisitra Marie Therese Volahaingonirina ? Sa kosa tsy mahatapa-kevitra ao amin`ny minisitera iandraiketany ? Amin`izao ora hanoratana izao dia mandrangaranga ny hetsika eo anivon`ireo CISCO, raha ny loharanom-baovao voaray. Azon`ny minisitra atao tsara ny misoroka izany korontana izany aha kinga fandray fanapahan-kevitra izy. Nametraka ny olony ny minisitra teo aloha, ary mahoraka be fa izay no nahatonga ny ahiahy hoe sao hiasa hampandany ny kandidan'ny antoko MMM izy ireo ? Terena hanao famindram-pahefana tsy mifanaraka amin’ny lalàna ireo Chef CISCO  ireo satria efa manomboka ny fampielezan-kevitra. Mety hanahirana ny fitondram-panjakana sy ny  filoha Andry Rajoelina ity misoko mangina eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ity raha diso famindra amin’ny famahana ny olana eo ireo manampahefana isan-tsokajiny.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT