Fampianarana

Tolon’ny mpanabe Miankina amin’ny fihetsiky ny Fitondram-panjakana ny tohiny


  • Zoma 27 Jolay 2018

Tolon’ny mpanabe Miankina amin’ny fihetsiky ny Fitondram-panjakana ny tohiny

 
 Mbola nitohy hatramin’ny omaly ny fitokonan’ireo mpanabe etsy amin’ny tokontany malalaky ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana faramparany izy ireo raha araka ny fantatra taorian’ny nandrafetana ireo karazana fangatahana nalefa mivantana any amin’ny praiministra Ntsay Christian. Anisan’ireny ny fampidirana avy hatrany ilay lela-vola 100.000 Ar isaky ny mpampianatra manomboka amin’ny volana Aogositra ho avy izao ary hampidirina ao anatin’izany ny volana Jolay, ny fanaovana fihetsika ny amin’ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM,….Raha toa kosa anefa hoy izy ireo ka mbola miziriziry ny fitondram-panjakana dia tsy hiverina hampianatra izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiany. Ho azy ireo mantsy raha vao tara amin’izao fotoana mialohan’ny fanadinam-panjakana izao no hamalian’ny fanjakana ny fangatahiny dia tsy hisy mpiraharaha intsony izy ireo atsy ho atsy. Efa manakaiky rahateo hoy izy ireo ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ka tsy maintsy ho takon’izany ny fitakian’ny mpampianatra na tiana na tsy tiana. Tonga nanatevin-daharana azy ireo tamin’izany ihany koa moa ireo mpianatry ny ENS  Ampefiloha izay mitaky ny handraisana ho mpiasam-panjakana avy hatrany ireo nahavita fianarana, ny fanendrena ny tsirairay araka ny diplaomany ary ny mari-karama mifandraika amin’izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT