Fampianarana

Tokony higadra tamin’ny aogositra Omaly vao nihatra ny didy momba ilay Sefo CISCO


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Nitatitra ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo tao amin’ny sampan-draharaha miady amin’ny kolikoly na PAC eto

amintsika ny 6 martsa teo omaly ireo mpanabe voakasika tao anatin’ilay raharaha sefo CISCO Soavinandriana. Tsikaritry ny mpitsara, hoy izy ireo, fa ny volana aogositra 2022 teo no efa tokony ho nahazo famonjana vonjimaika na MD ny sefo CISCO ao an-toerana. Tsy nihatra anefa izany MD izany fa dia niriaria teny foana ity sefo CISCO ity. Nampiharina, noho izany, ny didy aloha ary mihemotra amin’ny 13 martsa izao indray ny fitsarana. Isaorana be dia be ny PAC sy Bianco fa tena nanao ny asany, hoy hatrany ireto mpanabe ireto.
J. Mirija
Legende: Ireo mpanabe tonga teto Antananarivo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT